NY FIAINANTSIKA (RANTSANA FANANTENANA BEMASOANDRO ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)Ny fiainantsika eto an-tany dia miovaova tokoa
Ao ny mangidy ao ny mamy sotroina
Tsy maintsy hiaretana raha mbola velona ety
Nefa tsarovy fa ao 'lay Jesoa izay vonona hanampy anao

REF:
Ento Aminy ho vahany
Ny olana mangeja anao
Ho tsapanao fa tsy hangia anao
Ny ahiahy hatrizay

2) Eny an-dàlana eny dia maro ny zava-manjo
Misy izay mampitomany, mandratra fo
Tsy maintsy hiaretana raha mbola velona ety
Nefa tsarovy fa ao 'lay Jesoa izay vonona hanampy anao

3) Rehantsika ombieny ombieny ny lazan'ady etsy sy eroa
Mampiasa saina ireny manimba loha
Tsy maintsy hiaretana raha mbola velona ety
Nefa tsarovy fa ao 'lay Jesoa izay vonona hanampy anao

A/C: RAKOTONDRASOA Josoa Edmond
By Sandy RANDRIANAIVO
--------
Rohy:
Hevitra
Sandosantos ( 22/05/2023 12:53)
SVM RF Bemasoandro Itaosy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RANTSANA FANANTENANA BEMASOANDRO ITAOSY
Vangy : 229
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Sandosantos
Daty : 22/05/2023 12:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2418