Mba diniho ihany (Ny Fanilo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Ity misy teny lazaiko amin’ingahy
Fa maniry ohatry ny anana eny an-tsaha
Ireo mpaminany sandoka
Manana endrika tsara ivelany e
Raha tazaninao izy avy eto aloha
Tena mpanompon’i Tompo Jesoa
Nefa ao an-damosiny misy kanota
Ary koa maritoa
Tanteraka mihitsy oa ny tenin’i Tompo Jesoa
Fa any amparany any dia hisy mpanompo
Hamitaka olona amin’ny endrika tsara ivelany e
Na ny olomboafidy aza mety ho voafitany
Izay tsy mitandrina mety ho aripany
Maneran-tany oa ireo misandoka ho mpaminany
Na ny olom-boafidy aza mety ho voafitany
Izay tsy mitandrina mety ho aripany
Maneran-tany oa ireo misandoka ho mpaminany
Ka diniho ihany sy fakafakao
Aza amidy amin’ireny ny fanahinao
Aza mora sodoka amin’ireo fihetsika tsara ivelany e

Refrain:
N’iza n’iza milaza itenenan’ny Tompo
Ny toriteniny tena miloko
Aza mora sodoka amin’ireo endrika tsara ivelany e
N’iza n’iza milaza itenenan’ny Tompo
Ny toriteniny tena miloko
Aza mora sodoka amin’ireo fitafy izay ivelany e

2- Ny sasany indray dia jokotsoriaka
Izay manaraka azy dia iny fa vita
Ampidirany fanahy mamitaka ny olona tsy mahalala e
Dia milaza izy hoe nisehoan’ny Tompo
Kanefa satana no nijokojoko
Amin’ny endrika tsara sy naka ny endrik’i Jesosy Tompo
Izao re teny lazaiko amintsika
Na avy any Eropa na avy atsy Afrika
Mpaminany sandoka anie marobe ny importé

Fa mpaminany sandoka
Apostoly sandoka
Pasitera sandoka
Kristy sandoka
Fa ny toriteniny en couleur
Kanefa mpanompon’ingahy losifera
Iraky satana natao miaramila sy merisenera
Fa ny toriteniny en couleur
Kanefa mpanompon’ingahy losifera
Iraky satana natao miaramila sy merisenera
Izay manaraka azy dia goaka ny paosiny
Very ny harena
Fahagagana mamitaka enti-mambotry mpiray firenena
No mpampisara-bady
Mampitombo isa ny manano-tena
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Fanilo
Vangy : 22
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fango12
Daty : 16/12/2025 10:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.7006