Fiderako Anao (Solofo Akon'ny Efitra Zandriny (Ekar Anosibe))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry Tompo Andriamanitra ô
Midera Anao
Noho ny hatsaram-ponao narotsakao
Ny dera, laza anie no asandratro
Fa fitiavam-be no tsapako.

Nanavotra ahy Ianao
Namela ny heloko
Nanome ahy fofon'aina indray
Nitantana ary koa nivimbina ahy
Deraina ny Anaranao

Na ory aza aho
Dia teo foana Ianao
Na reraka aza aho natsanganao
Ny fijaliako dia noraisinao
Ny aretiko ihany koa sitraninao.

Nanavotra ahy Ianao
Namela ny heloko
Nanome ahy fofon'aina indray
Nitantana ary koa nivimbina ahy
Deraina ny Anaranao.
--------
Rohy:
Hevitra
Black7 ( 17/12/2025 07:22)
Miompana amin'ny Fiderana feno an'Andriamanitra, noho ireo soa marobe natolony antsika.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Solofo Akon'ny Efitra Zandriny (Ekar Anosibe)
Vangy : 18
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Black7
Daty : 17/12/2025 07:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1086