RAINAY Ö (IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka)

https://tononkira.serasera.org/hira/seha-pitaizana-fifohazana-ambohibao-antehiroka/rainay--2

1-Rainay ô, miandrandra Anao ny malagasy
Amin’izao fotoan-tsarotra izao
Mahatsiaro reraka sy ana izahay
Jereo ity fahantranay, jereo ity fahorianay

Miasà mahery Ianao handrava ny aizina ety
Ny sampy sy ny ody aza avela intsony hiriaria

Oh oh, Rainay ô, Rainay ô…    ou…..ou…..ou…..
Amin’izao, amin’izao…            an……an……an…..
Mahaaaaa….tsiaro….               ou…..ou…..ou…..
Fahantranay, jereo ity fahorianay


2-Rainay ô, mivavaka amiNao ‘zahay
Mba omeo mpitondra manan-tahotra Anao
Feno Tsiky dia ampyfahendrena, manana fandavan-tena
Ka ny Fanahy Masinao hanolo-tsaina azy ireo

Ny marina hatrany irianay hitoetra ao
Tsy vita anefa izany raha tsy amin’ny Anaranao

Oh oh, Rainay ô, Rainay ô…    ou…..ou…..ou…..
Mba omeo, mba omeo…           an……an……an…..
Fahendreee….ena…                  ou…..ou…..ou…..
Fanahy Masina hanolo-tsaina azy ireo



Rainay ô, ho sambatra ny firenenay
Raha Ianao Jehovah no Andriamanitray
Enga anie ‘zahay hifankatia hatrany
Hifanasoa sy hihavana
Hiadana finaritra
(IRAFIA FJKM AMBOHIBAO ANTEHIROKA)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka
Mpamaky : 271
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Mampionona0912
Tamin'ny : 28/02/2019 09:00:09
ID : 11435

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo