MILA MPANAFAKA (IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Faniriako ato anaty efa hatry ny ela
Ny hiala amin’ny ratsy nangeja hatrizay
Nefa ny tenako tsy nety ho afa-bela
Ny eo fakam-panahy tsy resy
Io hafa indray
Tsapako fa ota maro no nataoko
Mitombo isan’andro koa ny hadalako
Toa voasakana aho anefa raha te hiala
Iza re no hanafaka ahy, iza no mahalala

Refrain: Jesoa, Jesoa
Nandresy fahafatesana
Nahafaka ota koa
Jesoa, Jesoa
Ny anaraNy no antsoinao
Ho afaka ianao


Jesoa, Jesoa vonjeo ‘ty mpanota
Tanora vatana
Mila mpanafaka
Jesoa aza avela aho hanao dia mianotra
Midira ato am-poko Ianao
Ka manjakà


(IRAFIA FJKM AMBOHIBAO ANTEHIROKA)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka
Vangy : 838
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mampionona0912
Daty : 28/02/2019 09:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0748