Iraka (IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ampaherezo aho haharitra amiNao
Fa izany no irian’ny foko
Tohano mafy aho hanao ny asaNao
Hitoriako ny amiNao Tompo

Raha mbola ety an-dalana aho
Manantena fitantanaNao
Fanahy Masina anie hialoha lalana
N’aiza n’aiza aleha

Ho Anao ry Andriamanitra ny voninahitra
Ny dera sy ny laza hatrany an-danitra
Ho Anao ry Andriamanitra ny voninahitra
Ny dera sy ny laza hatrany an-danitra

Ho Anao mandrakizay, mandrakizay doria
Ianao ‘lay mahagaga
Nifidy anay mpania
‘Zahay ho irakao ho tena irakao
Indro irahinao
Manaiky ho irakao
‘Zahay ho irakao ho tena irakao
Indro irahinao
Manaiky ho irakao


(IRAFIA FJKM AMBOHIBAO ANTEHIROKA)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka
Vangy : 855
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Mampionona0912
Daty : 28/02/2019 13:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0739