Ry namako o (IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka)

https://tononkira.serasera.org/hira/seha-pitaizana-fifohazana-ambohibao-antehiroka/ry-namako-o

Ry namako ô, mihevera tena ianao
Fa miharatsy izao androtsika izao
Aza variana na sondriana
Fa mbola tsy tara raha mody ao am-bala
Miantso anao ny Tompo hoe
Midira amin’ny fifaliako

Ianao ‘zay manatrika eto ô
Atsaharo ny sentosento ô
Jesosy ‘lay tsy mba nanota
‘Lay maty tao Gologota
Nanolotra ny ainy ho antsika
Handovana ilay paradisa

Ianao mbola variana miliba amintononkira.serasera.orgty tany ity
Tsarovy fa mandalo anie ny fiainantsika ety
Fito-polo taona, valo-polo raha  tahiany
Voalazan’ny Baiboly izany
Ka nambaran’ireo mpaminany
Ho anao maniry andro lava
Manatona ny Tompo Jesoa

Ianao no tena antsoina
Handray an’ilay famonjena
Amin’ny fo madio no inoana
Ary amin’ny vava no anekena
Jesosy Tompo no mandondona
Hiara-paly aminy am-paradisa


(IRAFIA FJKM AMBOHIBAO ANTEHIROKA)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka
Mpamaky : 299
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Mampionona0912
Tamin'ny : 28/02/2019 11:02:56
ID : 11439

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo