MANKALAZA (IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lehibe sady be fitia Andriananahary
Lehibe sady masina Jehovah ilay nahary
Lehibe ny asany, Lehibe ny heriny
Mampifindra hatramin'ny tendrombohitra
Miderà sy Mankalazà ny Andriamanitsika
Fa ny zanany tokana nafoiny ho antsika
Atolory Azy izao,atolory ny fonao
Fa hamonjy sy hanova ny fisainanao

1- Hitako izao fa mendrika ho ahy, sy mendrika ho anao
Ilay fiovana izao
Ny hadalana hatramin'ny taloha,notolorany ilay Jesoa Tompo soa
Ka atolory Azy ankehitriny ny fonao MBA ho sitraniny
Ka atolory Azy ankehitriny fa hiova ny fisainanao

2- MBA saino kely sy eritreritro anie
Fa any an-danitra anie Dia fiadanam-be
Fa noho izao sy noho ianao
Tiany loatra Dia Tonga Izy izao
Ka atolory Azy ankehitriny ny fonao MBA ho sitraniny
Ka atolory Azy ankehitriny fa hiova ny fiainanao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka
Vangy : 193
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : HoliarisoaH
Daty : 06/04/2023 13:00
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0756