IZAHO NO VOALOBOKA (IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka)

https://tononkira.serasera.org/hira/seha-pitaizana-fifohazana-ambohibao-antehiroka/izaho-no-voaloboka-2

Izaho no voaloboka, ianareo no sampany
Izay miray amiKo, ary Izaho ao aminy
Dia mamoa be izy e
Fa raha misaraka amiKo kosa ianareo
Dia tsy mahay n’inona n’inona
Raha misy tsy miray amiKo
Dia hariana any ivelany
Tahaka ny sampany izy ka malazo ô

Raha miray amiKo ianareo ôôô
Ka mitoetra ao anatinareo re ny Teniko
Dia angataho izay tianareo na inona na inona
Fa ho tonga aminareo izanytononkira.serasera.org e


Ianao izay nanolo-tena hitory filazantsara
Tazony ny finoana ka aza miemotra
Fa izany no herinao e
Fa raha tsy miambina tsara ianareo
Dia ho resin’ny devoly
Koa andeha re hitambatra
Hanambara ny marina
Fa izany no asa efa nomanina

Raha miray amiKo ianareo ôôô
Ka mitoetra ao anatinareo re ny Teniko
Dia angataho izay tianareo na inona na inona
Fa ho tonga aminareo izany e

(IRAFIA FJKM AMBOHIBAO ANTEHIROKA)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka
Mpamaky : 435
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Mampionona0912
Tamin'ny : 05/03/2019 07:32:54
ID : 11457

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo