AZA MANOTA INTSONY (IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka)

https://tononkira.serasera.org/hira/seha-pitaizana-fifohazana-ambohibao-antehiroka/aza-manota-intsony-2

Ry Tompo Tsitoha, ry Mpamindra fo
Henoy ity mpanota mitaraina tokoa
Inty aho fa tonga eto anoloaNao
Manaiky fa diso
Mifona amiNao

Tsaroako foana Ianao nitory teny
Kanefa izaho tsy mba nihaino ireny
Mahery loatra ny ratsy ato anatiko
Ka lavo ary jamba ny masoko

Fa indro nyTsiky dia ampy tanaNao mahery
Mitsotra mandray ahy ilay very
Manambitamby milaza indray
Avia manatona eto akaikin’ny Ray


Tompo ô misaotra, misaotra Anao aho
Tompo ô midera ny anaraNao aho
Faly aho mandre ny fanambaraNao
Izaho tsy manameloka anao
Aza manota intsony ianao


(IRAFIA FJKM AMBOHIBAO ANTEHIROKA)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka
Mpamaky : 306
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Mampionona0912
Tamin'ny : 05/03/2019 07:33:08
ID : 11456

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo