You are here: home > Tononkira > Erick Manana

Any an-danitra any (Erick Manana)

Any an-danitra any no fonenako
Any aho no hody raha vao miala ety
Vetivety foana dia ho hitako
’Lay tanAna soa fiononako

Any an-danitra any no halehako
Any aho no hody raha vao miala ety
Hatrany am-piandohAna no efa fantatro
Any izahay re tsy mba mety lo

O ry fasan’iny nahoana kosa ho’ahy
Izay nalavonao ka tsy tafarinTsiky dia ampya
Zaza menavava tanora antitra
Natelinao daholo tsy afa-niala pA
Maka ianao tsy niera mamely tampoka
Tsy nisy serasera na ady varotra
Vatana sy nofo miraradraraka
Ataonao tsy afa-bela zahay olombelona

Fa ny fanahiko,
Fa ny fanahiko
Tsy ho azonao rahoviana na rahoviana
fasana O
Fa ny fanahiko,
Fa ny fanahiko
Hamaky habakabaka tsy hay samborina O

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Erick Manana
Mpamaky : 4642
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 07/11/2001 05:11:01
ID : 257

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo