Antso (Seha-pitaizana JIZRAHIA Ambatolampy Antehiroka Fitiavana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny antso zay iantsoanao anayDia hitory ny Filazantsaranao Jesoa
Ho an'ny olombelona, tsy asiana fanavahana
Fa handre daholo ny olon-drehetra
Kanefa tsy ho vita raha ny herinay
No hianteherana fa mila Anao zahay,
Hanala ireo sakana, mandavo am-pandehana
Ka ny herinao no itokianay tokoa
Refrain
Jesoa o, tarihonao ity Mpanomponao
mba hahavita tsara ny asanao
Hitory ny filazantsaranao no tanjona
Hampiely izany eran-tany,
Arovinao izahay amin'ny fakam-panahy
Mba filazantsara tena velona
Eny ekeko fa sarotra izany dia
Nefa Ianao Tompo o mitantana ahy ety
Miaro ny fanahinay ary koa mampahery anay
Hahavitana tsara izany asanao
Tsy mora nefa ireo sedra an-dalana
Tsy maintsy iainanay am-pandehanana
Koa tantanonao zahay, ampiorenonao zahay
Mba tsy hiova ilay antso ao amina
Tonony : Jean Freddy
Feony : Anja
JIZRAHIA
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Seha-pitaizana JIZRAHIA Ambatolampy Antehiroka FitiavanaVisites : 126
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Ainathii
Date : 28/06/2025 21:46
