Hiaraka (Ny Anjara Andrianarisaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ambarako eto izao
Ataoko ren'izao tontolo izao
Ny fitiavako anao
Efa ela no nitoetra am-poko ao
Ka tsy tiako hafenina intsony izany
Miredareda anatiko any
Ataoko ho ren'ny lanitra ho ren'ny tany
F'ianao...

Réf : Ka hiaraka andeha
Ho iray tsy misara-droa
Hamakivaky e
Irony fiainana irony
'Ndao hiaraka andeha
Ho iray tsy misara-droa
Hamakivaky e
Irony fiainana irony

Angoniko ny teny
Mba hilazako anao izao voady izao
Hitia anao ombieny
Mandrakizay tsy hiova aho
Na ho tsiky na tomany
Dia iray saina iray fo
Ny ahy sy ianao tsy hisy fiafarany
Ho toy ny lamban'akoho

Réf : ...

Hitoetra eo anilanao mahasambatra ahy
Ianao no tiako, ianao koa tia ahy
Nambabo ny foko, Nambabo fanahy
Misoratra aminao ny foko mandrakizay

Réf : Ka hiaraka andeha
Ho iray tsy misara-droa
Hamakivaky e
Irony fiainana irony
'Ndao hiaraka andeha (Andao hiaraka andeha)
Ho iray tsy misara-droa (Hamakivaky e)
Hamakivaky e
Irony fiainana irony

Ka hiaraka andeha (oooh oooh)
Hamakivaky eee

'ndao hiaraka andeha
Hamakivaky e (×3)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Anjara Andrianarisaina
Vangy : 105
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Faneva205
Daty : 29/06/2025 15:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1329