Babo (FSC Mozika)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
F❤️SNisy nanorisory
Tsika roa niara-faly
Izaho no nahakolokolo anao
Niangolangola anao
Izay nanosika ahy
Nanafananao anaty hatsiaka ay
Mety indraindray nasitsiaka ay
Fa love ireny
Foiko ho anao ireny
Ny ahy love ireny
Foko tia aza lalaovina ee
Raha ny vitako be
Dia vetivety ilay paradisako
Tsy iasana loha ny disadisako
Momba anao rehetra ambesako oh
Tsy aiko fa love ireny
Foko tia aza lalaovina ee
Lanitra iny no omeko anao
(sa tianao koa ny volana ?)
Izay tianao omeko anao oh
Zaho love e, ianao love koa
Anaty ny foko ato
Izay tianao omeko anao oh
(sa tianao koa ny volana ?)
Izay tianao omeko anao oh
Hey, kiala kely iny
Mamy, matsiro de ho ataoko izay tiany
Alaiko izay takatro raha hiriany
Volana, kintana mba hifaliany
Love anie betsaka aza anontaniana
Foiko ny foko raha omena anao any
Izay kifanao, kifeko volana
Hoentiko ho sambatra an-tokantrano
Manja kely izy
Tsy mandainga an'izany aho fa babondry
Resaka razoky ka tena tianao
Mahazo matoky ataoko mankafy
Vit la vie, tairo avia
Fonao alaiko ho ahy
Tiako ho'aho ndry
Zahay ange
Tsy manadala anao
Zaho tena tia
Mahavariana ahy mihintsy ianao
Rehefa mandihy
Tsy aiko hoe fa maninona
Nefa iny ange tsy fanahiniana, ou
Tsy hampamenatra anah mihintsy io babe oh
Na ny hoe amin'ny neny oh
Hoe zaho tsy hivadika horreur oh
Tsy hamela anao irery aho oh
Izay niafinao, hiafiko eh
N'inona n'inona ho avy key
Andao mba hiara-handidy eh
Izay tsy ampy ve tsy ampimpiana eh
Dia ity, ty ty ny lôvako
Babe anao no masôvako
Aminao zaho tsy hiova oh
Aminao zaho tsy hiova oh
Lanitra iny no omeko anao
(sa tianao koa ny volana ?)
Izay tianao omeko anao oh
Zaho love e, ianao love koa
Anaty ny foko ato
Izay tianao omeko anao oh
(sa tianao koa ny volana ?)
Fitia my love
Omeko anao
Tany misy masôva
Hitondrako anao
Hasambarana eh
Jereo izy raha mba lena
Fa dia lamba mena
No hisarahanay
Hey Mama hey
My baby effet
Miadana be
Ditra tsy reko
Hey Mama hey
My baby effet
Miadana be
Ditra tsy reko
Lanitra iny no omeko anao
(sa tianao koa ny volana ?)
Izay tianao omeko anao oh
Zaho love e, ianao love koa
Anaty ny foko ato
Izay tianao omeko anao oh
(sa tianao koa ny volana ?)
Lyrics by FrSa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : FSC MozikaVangy : 109
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : MaNekena
Daty : 30/06/2025 14:42
