Ny Mana Robinson

Sary rehetra...
Nampiditra mattox 21 andro lasa
Hiran'i Ny Mana Robinson 1 Jereo eto
Vangy : 92
Mpankafy : 1 Ankafizo
Mombamomba azy
Mpihira vao misandratra, zanaka vavy matoan'i Mamy ROBINSON, izay mpihira tsy zoviana amin'ny maro. Voataiza tao anatin'ny Gospel, ny Soul, ny Blues, ny Jazz ary ny Fusion. Nanomboka tamin'ny fandraisany anjara tamin'ny Festival MADAJAZZCAR tao amin'ny sokajy JAZZ KIDS no nahafantarna azy satria nandray anjara tamin'ny sehatra Jazz hatrany, niaraka tamin'ny rainy nanomboka teo. Ny rainy Mamy Robinson, ihany koa no mitantana azy amin'ny lafiny artistika sy mamoron-kira ho azy. Anisan'ireo notsongaina hanao Solo ihany koa izy ao amin'ny Antoko mpihira misy azy dia ny AMBOARAMPEO FJKM Tranovato Faravohitra. Nandray anjara tamin'ny fifaninana LA VOIX D'OR andiany voalohany ny taona 2016 ary nahazo ny laharana fahatelo. Tamin'ityy taona 2025 ity kosa dia nahazo ny laharana voalohany tamin'ny fifaninana mihira amin'ny fiteny Frantsay nokarakarain'ny AFT Andavamamba ny volana Martsa 2025. Nanomboka eo dia arahan'ny AFT sy ny YAS mpanohana azy akaiky ny fivoarany amin'ny sehatry ny kanto ary natomboka tamin'ny fandraisany anjara tamineny "Fête de la musique" teny amin'ny Canal Olympia Andohatapenaka izany ny Sambotsy 21 Jona. Hitohy ny làlany ...Hevitra momba an'i Ny Mana Robinson
Mbola tsisy nametraka hevitra