Jehovah no mahery (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jehovah ô! Ianao no hiraina izao
Fa dia navotanao, tanaty ady mahery
Ireo zanak'Israely, Ireo zanak'Israely

Fiv:Ny kalesin'i Farao, sy ny miaramila
Dia natsipiny ho ao, ao an-dranomasina
Ny tanan-ankavanany, fata-daza amin'ny hery
Ny fahefana ananany, mahery mahery

Nofinofy ny an'ireo
Firenena izay miseho
Raisim-potsiny amin'ny kely
Ireto zanak'Israely
Tora-kovitra avokoa
Firenena izay mandre
Fa Jehovah ilay Tsitoha
Manan-kery lehibe
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Antoko Mpihira MORIA
Visites : 387
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : andrytianarajoelison
Date : 11/04/2022 22:46
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.073