Zanaka adala (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Mbola manako miantso tsy miato ato am-poko Jeso
Lay feonao miangavy sy manambitamby ny hiovako fo
Tsy mba nohenoiko anefa fa lasa nilefa nadositra Anao
Ka nanaram-po sy nandany ny harena izay nomenao
Kanjo tsy ela dia tsy nisy tavela izay nantenaiko
Sakafon'ny biby fiompy no hany nitazona ny aiko
Kanjo indro Ianao nampatsiahy ahy indray fa ao an-tranon'ny Ray
Fiainana be dia be
Hiainga aho ndeha hody izao

He mifona ry Dada ty zanak'adala tsy nanaja Anao
Ô! mba raiso aho fa resy ho mpanompo raha mety mba ho anilanao
Nanenenako mafy ireo vitako ratsy teo imasonao
Mba raiso aho, mba raiso aho ry Ray

2- Mbola manako miantso tsy miato ato am-poko Jeso
Lay feonao miantso maniraka ahy mba ho mpanomponao
Ekeko tanteraka ny hanatanteraka izay sitrakao
Na noana na voky dia tsy hanary toky fa eo Ianao
Vonona aho hiafy sy hisedra ny mafy noho ny Aminao
Izay ahy rehetra dia tsy asiako fetra atolotro Anao
Mitenena Ianao fa efa vonona aho ny hiainga izao
Ka ny hazo fijaliana
Ataoko fifaliana

Ilay fanahinao Masina nampombanao ny Apostoly taloha
Ny hidongiako Aminao hamenonao ahy ny ato anatiko
Hirosoako amin-kery hijoro sy hiteny ny anaranao (ny hatsaranao)
Mpanavotra, mpanafaka ahy Ianao (Mahery Ianao, Tsitoha Ianao ry Ray)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Antoko Mpihira MORIA
Visites : 427
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : andrytianarajoelison
Date : 11/04/2022 18:12
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744