Noho Ianao (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Noho Ianao nandray ahy ho zanakao
Noho Ianao nanoratra ny lalako
Hanara-dia Anao Jeso Kristy malalako
Ka nanokafanao ny mason'ny fanahiko

Ref: Misaotra Anao aho
Misaotra Anao aho ry Andriamanitro

2-Noho Ianao efa nilaza tamiko
Fa irinao ho Anao ny olon-drehetra
Noho Ianao nanokatra ny foko
Mahay mitory amin'izay mitoloko

3-Noho Ianao hany antom-pahavelomako
Dia ho Anao mandrakizay ny voadiko
Ka tano aho tsy hisaraka Aminao
Anio ambara-pahatapitra ny androko
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira MORIA
Vangy : 321
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : andrytianarajoelison
Daty : 26/07/2022 17:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1595