SOAVINA (AFAS - Antsan'ny FinoanA Soavina)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Ianao, tanàna itoerako;Nipoirako, nitaiza ny fahazazako.
Nampifaly ahy tamin’ny hatanorako;
Nahalala ny tanjoko sy fikasako.
Nanatrika ny tsiky, sy ny fahoriako;
Itokiako, hiara-dàlana amin’(ny) fiainako.
2. Ianao, tanànako lalaiko;
Tiako mba hitoetra, hiaina ny Fahazavana.
Lavitry ny haizina sy fahantrana.
Rehare(han)’ny taranaka, dimby sy fara.
Hiavaka amin’(ny) tany sy ny firenena;
Haneho ny Voninahitr’Andriamanitra.
Ref.
SOAVIN(A) ianao, SOAVIN(A) ianao.
Ilay tanàna feno ny Fahasoavana.
Andriamanitra ilay nahary anao,
Izy no hampisalotra anao ny Fahombiazana.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : AFAS - Antsan'ny FinoanA SoavinaVisites : 371
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : fanafy
Date : 25/03/2023 09:20