Ho avy (AFAS - Antsan'ny FinoanA Soavina)

Ho avy e! Ho avy!
Jeso Kristy ho avy haka ahy sy ianao;
Indro e! Izy!
Efa mandondona eo am-baravarana,
Hitondra ho ahy sy ho anao ny fitsaharana.
Fiainana tony, feno Fiadanana.

Tena sy fo, fanahy anie no hany azo entinao,
Tsy afaka hitondra ny haren'izao tontolo izao.
Efa nomaninao ve ny tsara avy aminao?
Fonao mino an'I Kristy.
Tena madio sy fanahy sitrany;
Dia ho avy ny anjely hitantana anao.

Any e! Any!
Fonenan-tsoa nomaniny ho ahy sy ianao;
Indro e! Izy!
Efa mandontononkira.serasera.orgdona eo am-baravarana,
Hitondra ho ahy sy ho anao ny fitsaharana.
Fiainana tony, feno Fiadanana.

Tsy maintsy hafoinao anie ireo fanananao;
Lova sy ny harena mamy amin'izao tontolo izao.
Fa raha tsy afoinao koa ireo ratsy fanao;
Mbola hangorohoro sy ho fay!
May amin'ny afobe mandrakizay;
Dia ho avy satana handrombaka anao.

Ho avy e! Ho avy!
Jeso Kristy ho avy haka ahy sy ianao;
Indro e! Izy!
Efa mandondona eo am-baravarana,
Hitondra ho ahy sy ho anao ny fitsaharana.
Fiainana tony, feno Fiadanana.

Mpihira : AFAS - Antsan'ny FinoanA Soavina
Mpamaky : 475
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : fanafy
Tamin'ny : 30/01/2021 13:15:09
ID : 13332

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo