Mifankazara amin'ny Tsitoha (Joba, 22. 21) (AFAS - Antsan'ny FinoanA Soavina)

1° Maloka ny fiainanao? Feno fijaliana ianao?
Mitodia amin'ny Ray Nahary anao.
Aza kivy, mitrakà fa Jesosy tsy mandà;
Mitadiava Azy ianao dia ho velona.

Aza miandry izay hahavoa;
Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao dia hiadana.
Ny soa ho tonga aminao,
ho lavorary izay hataonao.
Ho aminao anie Tsiky dia ampyny Fahasoavana, Fiadanana.

Tiany ianao, maminy;
Tsy foiny satria zanany (Tsy foiny ny zanany).
Raha misy sakana;
Misy mandavo anao, dia izao,
MIVAVAKA.

2° Fifaliana iainanao;
zary tsinontsinona raha tsy ankinina
amin'ny Ray Tsitoha.
Ireo fahasambarana, mamy hivalaparana;
Raha tsy sitraky ny Ray dia mbola ho levona.

Mpihira : AFAS - Antsan'ny FinoanA Soavina
Mpamaky : 1411
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : fanafy
Tamin'ny : 30/01/2018 15:17:15
ID : 10318

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo