INTY AHO TOMPO (VETSOPANAHY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nandany fotoana maro aho
Nikaroka izay mba nahasoa
Nandramana izay rehetra azo atao
Ts’isy fa zava-poana avokoa

INTY AHO TOMPO RAISO HO ANAO
INTY  NY FO SY NY SAIKO RAISO HANJAKAO
INTY AHO TOMPO RAISO HO ANAO
HO ANAO, ENY HO ANAO MANDRAKIZAY

Noheveriko fa ny harena
No ampy hahasambatra ny fiainako
Hay moa ka ankoso-bolamena
Tsy azo anankinana ny fo

Tompo ô ‘ty atolotro Anao
Ho fanatitra aho manontolo
Ny amiko rehetra omeko Anao
Ho Anao Tompo ô! ny fiainako
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2408