MANANA FONENANA AHO (VETSOPANAHY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manana fonenana aho hodiako rahatrizay
Raha tonga ilay fotoana hialako ety
Toerana efa voatokana no ho vantaniko
Dia ilay lapasoa an-tranon-dray

HITOETRA AO MANDRAKIZAY
HO SAMBATRA AHO
RAVO AO ANILAN-DRAY

Lasa nanamboatra toerana
Handraisana ahy ny Tompo
Izy ilay Zanaky ny Ray
Ka tsy manan-tahotra aho
Raha tonga ilay fotoana
Fa azoko antoka
Fa ho any an-danitra aho

Tanàna vaovao vatosoa sy volamena
no hizorako rehefa tonga any aho
Dia hahita ilay Mpamonjy
Maty ka nisolo ahy hiara-paly Aminy doria
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : VETSOPANAHY
Vangy : 1584
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zokelia
Daty : 07/09/2012 00:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727