Ho amin'ny fahasoavanao (Vetson'ikopa antoko mpihira)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo ô inty aho
Ovay ny foko ho toy ny anao
Ny tsara ao aminao no zarao amiko
Tompo ô ambarao ny kilema ananako
Ovaiko dieny izao
Ho amin'ny indrafonao

Hazony aho, fenoy ny fitiavanao
Tariho aho hifikitra aminao
Ary arotsahy ilay fanahy masinao
Hitantana ahy tsy handao
Fa hanara-dia anao
Ho amin'ny fitiavanao

Miondreha Tompo ô
Asehoy ahy n'y endrikao
Fa n'y fitiavanao efa reko amiko
Ka avaozy indray ilay finoako hatrizay
No niorina tam-po
Ho amin'ny fahasoavanao

Hazony aho fenoy ny fitiavanao...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vetson'ikopa antoko mpihira
Vangy : 551
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Xtella
Daty : 14/10/2019 20:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0912