Tompo ô omeo hery aho (Vetson'ikopa antoko mpihira)

https://tononkira.serasera.org/hira/vetsonikopa-antoko-mpihira/tompo-omeo-hery-aho

Tompo ô omeo hery aho
Mba hazoto hanao ny asanao
Ny androko sisa rehetra hatokako ho anao
Tohano aho raha sendra mivena
Atrakao raha mandia faharesena
Vatolampy iereko sy mandako ianao

Nihazakazaka aho nitady izay mba mahasoa
Nefa toa tsy nahita izay mahafa-po
Fa ao aminao ihany, fiadanana tsy ho lany
Ikelezako aitononkira.serasera.orgna manomboka izao

Tompo ô omeo hery aho....

Fa n'y fody eny an-tsaha aza manana ny anjarany
Ny lisy s'y reo hafa isasarany
Mainka fa izaho s'y ianao
Mihoatra lavitra aza
Minoa, matokia f'ianao malalany

Tsy foiny ianao fa tiany
Minoa sy matokia (4)

Tompo ô omeo hery aho
Mba hazoto hanao ny asanao
Ny androko sisa rehetra hatokako ho anao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Vetson'ikopa antoko mpihira
Mpamaky : 107
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Xtella
Tamin'ny : 14/10/2019 20:35:07
ID : 12128

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo