Fanantenana (Vetson'ikopa antoko mpihira)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
mamakivaky onja
misedra tafiotra ve ny fiainanao
rivo-mahery fitsoka
izay manembana dia mampatahotra
manahy ny ao anaty
fa sao tsy ho tanty ka handrendrika anao
fa olombelona ihany
mora latsa-tomany rehefa toy izao

nefa hoy aho amafiso ny finoana anatinao
o matokia an i Kristy f izy dia tsy mandao

indraindray toa kivy
toa tsy mety ho vita ny ady atrehinao
na mafy ny fisedrana;
ilay fanantenana no andrandrao.
fa ny oram-batravatra
sy ny kotroka mandratra
tsarovy fa hisolo ho lohataona
amin izay dia ho foana ny adinao.

nefa hoy amafiso ny finoana anatinao
o matokia an i Kristy f izy dia tsy mandao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vetson'ikopa antoko mpihira
Vangy : 719
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Xtella
Daty : 20/10/2019 22:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0819