Zava-poana (Vetson'ikopa antoko mpihira)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha izay vola s'y harena
No entina mirehareha
Fa tsy hitsimbinana ireo fadiranovana
Dia hanimba, tsy hahasoa anao izany
Ka n'y fahasambaranao Dia mijanona eto an-tany

Zava-poana raha ireo
Zava-poana avokoa
Tsy hahasolo n'y hazo fijaliana niahantonan'i Jesoa
Tsy voavidy vola anie
Ilay rany nitete
Nanavotany ahy sy ianao

Raha n'y vola sy harena
No hanaovana asa soa
Ka ireo tsy manana ho voatsimbina avokoa
Dia hisokatra ho anao n'y lanitra
F'efa azo antoka ilay fiainana maharitra

Zava-poana raha ireo...

Zava-poana ireo, zava-poana ré.
Tsy voavidinao ilay rany nitete

Zava-poana raha ireo....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vetson'ikopa antoko mpihira
Vangy : 916
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Xtella
Daty : 15/10/2019 18:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5417