Mitrakà (Vetson'ikopa antoko mpihira)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Namako o, nahoana ianao
No malok'endrika toy izao?
Mafy angaha ny adim-panahy?
Henoy anie: Etsy, aza manahy.
Ny Tompo tsy mahafoy anao.
Matokia fa aza mamoifo

Ny tanany efa mitsotra ho anao
Raiso izy anio fa miandry izao
Manantona azy f'aza manahy
Ny fitiavany ampy ho anao sy ho ahy

Jereo anie iry masoandro iry
Fa mibaliaka mitory Ilay fitia
Fitiavana tsisy ferra
Nomeny antsika rehetra
Ario hatreo ny hakiviana
Jesoa efa Tonga ho anao.

Raha sitrakao, ndao hiara-dia
Hifandray sy hifankatia
Iray n'y fo, iray ny saina
F'izany no sitraky ny Ray
Ny entan-jarai-mora zaka
Ka Avia f'izahay hampitraka.

Ny tanany efa...
--------
Lien: https://tononkira.serasera.org/hira/vetsonikopa-antoko-mpihira/mitrak
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Vetson'ikopa antoko mpihira
Visites : 447
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Xtella
Date : 13/10/2019 20:48
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0773