Ora iray sarobidy (Vetson'ikopa antoko mpihira)

https://tononkira.serasera.org/hira/vetsonikopa-antoko-mpihira/ora-iray-sarobidy

Sarobidy loatra izao ora izao
Fa handraisanay anao

Vao nifoha maraina aho
Dia izao no tao an-doha
N'y hihaona aminao e! Faniriako.
Ny handray anao ry Jesoa mamiko
Iriko izao mba ho to

Nefa re fantatrao ny fahotako
Mitalaho
Avelao ireo raha sitrakao

Efa tsindrian-daona aho rytononkira.serasera.org Jesoa
ry Jesoa
ny hiombona indray aminao
kanefa diovy ny fanahy sy ny fo
Ho mendrika anao tokoa

Nefa re fantatrao ny fahotako
Mitalaho
Avelao ireo raha sitrakao

O mba raiso aho Jesoa o
Fa mavesatra loatra ireo ditrako
Tompo Ă´ mamindrĂ  fo
Neniko ireo vitako

Sambatra aho
Fa namindra fo tamiko ianao.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Vetson'ikopa antoko mpihira
Mpamaky : 128
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Xtella
Tamin'ny : 16/10/2019 07:21:52
ID : 12137

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo