HOBIO SY DERAO (IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ry olona ô, ‘ndeha hifaly tokoaFa teraka anio Jesoa
Ilay famonjena ho ahy sy ho anao
Izao anio izao
Ka hobio sy derao
Fa io ‘lay Mpanjakanao
Ka deraiko ankalazaiko fa Mpamonjy lalaiko (x2)
2-Nanetry tena ‘lay Mpamonjinao
Tao an-tranon’omby ao
Nefa anie zanak’ilay Ray Tsitoha
‘Ty zaza tena soa
Ka hobio sy derao
Fa io ‘lay Mpanjakanao
Ka deraiko ankalazaiko fa Mpamonjy lalaiko (x2)
3-Aza variana fa dia mifalia
Ry mponina an-tany ety
Avotra ianao ka miravoravoa
Sokafy anio ny fo
Ka hobio sy derao
Fa io ‘lay Mpanjakanao
Ka deraiko ankalazaiko fa Mpamonjy lalaiko (x2)
(HIRA KRISMASY)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : IRAFIA FJKM Ambohibao AntehirokaVangy : 882
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mampionona0912
Daty : 26/02/2020 15:09