Tanora ô (KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tanora o mifohaza
Mijoroa ho vavolombelon' ety
Hampody Indray ireo tsy mahalala
Hiverina ao ambalan' ilay Ray

Aza manao hoe mbola zaza aho ka tsy havita izany
Na mbola be fangatak' andro @ asa atao
Aza varimbariana sao tsy ahita izay atao
F' Andriamanitra mitsinjo izay halehanao
Koa mandidy anao ny Tompo izao anio izao
Mandena dia torio ny vaovao mahafaly
( Tanora o ..........)

Ity tany ity feno ota
Koa mila anao mba hanazava azy
Hitarika ireo naman-dratsy
Mba ho afaka ireo fatorany
Aza manao hoe ..........
koa tanterao izany fa ho sambatra ianao
ka handray ny satro-boninahitro
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0817