Tsy aleo ve mifankatia (KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy aleo ve, tsy aleo ve isika mifankatia
Fa tsy misy na iray afaka ny hitondra mody
Rehefa avy ny fotoana sy ny ora ahafatesany
Tsy aleo ve mifankatia

Dia samy ho tonga any an-danitra any
Hiara hidera ilay Mpanjakantsika

Rava ny alahelo hita eto an-tany
Ny Haleluia sy Hosana no mandrakotra any

Araraoty, araraoty ny andro azo anaovan-tsoa
F'efa miharatsy izao fiainana izao
'Zay ataonao ety no hotsaraina any an-danitra any
Tsy aleo ve manao ny soa

Ho atombotsika eto an-tany
Izany fifaliana izany

Hiray isika ao amin'i Jesosy
Hitandrina ireo didiny
--------
Rohy:
Hevitra
daryprod ( 22/03/2022 07:33)
Tsara e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena
Vangy : 361
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : daryprod
Daty : 22/03/2022 09:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0863