Jesosy no antsoiko (Feon'ny fiderana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha tojo ady sarotra tsy maintsy ho lalovako aho
Jesosy no antsoiko dia ho maivamaivana
Tsy vitako ny handresy irery ireo fahavaloko
Fa matoky aho fa ilay Mahery no miaraka amiko

Ref: Tsy ho vitanao ny hamakivaky izao lalan-tsarotra izao
Aleo Jesosy hirotsaka an-tsehatra dia ho hitanao
Ho tsapanao ilay fandresena avy amin'ny Kristy
Mpandresy ianao raha miaraka aminy

Ny heriko,ny fahaizako,ny fahalalako
Dia zava-poana eo amiko raha tsy eo ianao momba ahy
Jesosy ô,izaho tsy handao anao na iray segondra aza
Fa tsy mahefa n'inona n'inona aho raha tsy eo ianao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Feon'ny fiderana
Visites : 263
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Tiannie27
Date : 05/03/2025 17:03
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1438