Aza manahy (Antsafi)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iriko e ry Tompo ny hosakambininaoMba tsy hiady irery ety
Tsy mahay manao n’inona n’inona anie aho
Sanatria raha izaho ihany, tsy hoefa izany
Aza matahotra foana ianao ry zanako ô!
Fa indro Aho momba anao, sy hitantana anao
Raha mita ny rano ianao, tsy hanafotra anao Izy
Raha mita ny afo koa dia tsy ho may
Aza mierikerika foana ianao, f’Izaho no Andriamanitrao
Izay mampahery anao, sy mitantana anao
Matokia, aoka ho sahy, ny ady aoka ho Ahy
Izaho tsy hahafoy anao, k’aza manahy
Ka ny lalana izorako Tompo
Izay hotinendrinao, mba tsy ho sitrapoko
Fa ny Anao ilay tsara, ankasitrahana, marina
No hitariho ho ahy mandrakizay.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : AntsafiVangy : 1596
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : zoandrianina
Daty : 25/08/2015 15:13