Antsafi folo Taona (Antsafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Feno folo taona izahay nanompoana, nijoro soamantsara e! (Misaotra Ray ô!)
Antsafi no anarana entina iantsoana, hitory filazantsara e!
Fa ny fahasoavanao Ray no tsaroana, matoa toy izao izahay e! (Misaotra Ray ô!)
Tao ny mafy sy mideza Ianao dia teo foana, niaro nitarika anay!

Refr:   Havaozinay izao ny fanoloran-tena
           Omban' ny fanekena;
  plmpyvzx         tononkira.serasera.org  Hitory eo Jodia ary Jerosalema,
           Hatrany am-parantany e!
           F'ianao ilay xyayl niandohana sy mbola hiafarana
           Antom-pisian’izany asa izany
           Haneho ny voninahitrao hatrany hatrany;
           Hamoha matory, Hanaitra fanahy.

Be ny soritr’Asanao sady tsy mora, pdnc ‘zahay koa tsy mahay e! (Tsinjovy Ray ô)
Tsy vitan'ny hery kelinay sy ny vola, Tompo ô ampio sy hombay.
Mandra-pihavianao ry Jeso, ho tonga hiverina indray e! (Aoka Ray ô!)
Ampaherezo izahay tsy hilona, hazony ho mandrakizay.

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsafi
Vangy : 1686
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Maxi15
Daty : 21/06/2016 12:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0339