You are here: home > Tononkira > Antsafi

Ataoko ahoana (Antsafi)

https://tononkira.serasera.org/hira/antsafi/ataoko-ahoana

Ataoko ahoana Tompo ô no hanao
Ny mifanohitra amin’ny hevitrao
Fisainana fohy ny ahy, k’arovy tsy ho sahy
Handingan’ireny efa nandrarana, zay fahadalana
Ataoko ahoana Tompo ô no handao
Ny fanompoana izay niantsoanao
Hodiako tsy hita ve ilay irakao handeha
Hanaiky ny tendrinao tokoa ho mpankatoa
         Ekeko fa izaho Tompo ô nofo aman-drà ihany
         Mety ho potraka sy hosTsiky dia ampyolafaka
         Na lavo aza aho tsy hikarapoka mafy
         Satria Ilay mahery no mombà ahy sy miahy
Fanaoko foana Tompo ô ny mihataka
Manovo hery aminao mivavaka
Omeo fifantohana aho, arovy ny fanahy
Velomy ao anaty ny Fanantenana, tsy hihanahana
Tariho hatrany tokoa ity zanakao
Hazony mafy ho doria mba tsy handao
Ity izaho izay mpanota ity, tantano tsy hania
Fa Ianao no ampinga sy fandresena ny fanangolena

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antsafi
Mpamaky : 535
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : zoandrianina
Tamin'ny : 25/08/2015 15:47:58
ID : 7672

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo