He sambatra (AMAA [Antoko Mpihira Avaratr' Andohalo])
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
He sambatr'aho Tompo ôFa manana Anao ho Ray
Fanantenana sy tokiko
Ka tokiko mandrakizay
Ny hadisoana vitako
Efa nofafanao tokoa
Ny famonjena ho tanako
Fa sarobidy mahasoa
Inona no havaliko
Ny fitiavanao izao
Ambarao Tompo fa sahiko
Ny hanome 'zay sitrakao
Izay talenta taminao
Ampitomboy entiko
Hanompo ny fiangonanao
Sy firenena mamiko
Ny foko kosa atolotro
Ka mba diovy sy vohay
Hidiranao re ry Tompoko
Ka dia monena ao indray
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : AMAA [Antoko Mpihira Avaratr' Andohalo]Vangy : 1642
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rvnjr
Daty : 23/08/2014 17:15