Tompo ô mba raiso ny fisaorana (AMAA [Antoko Mpihira Avaratr' Andohalo])

https://tononkira.serasera.org/hira/amaa-antoko-mpihira-avaratr-andohalo/tompo-mba-raiso-ny-fisaorana

Do dia G

1-Tompo ô mba raiso ny fisaorana
'Zay atolotra Anao manokana
Noho ny fitahiana natafinao
Ireo mpanomponao 'zay manoloan'izao

Fa nambininao ny fikasany hatrizay
Mba hiaraka hifanasoa mandrakizay

Manana ny fahalemeny izy ireo
Nefa kosa tia ny tsara ka jereo
Fa ny hery sy ny fitiavanao
Dia ampy hanambotononkira.serasera.orgatra fo sy saina vaovao

2-Dia ambino Tompo ô ny asany
Mba hitondra soa ho an'ny taranany
Ary ny fanahiny koa (é) tezao
Ho mendrika handray ny fitahianao

Dia omeo azy Ray ô ny taranaka
Ary ny harena ampy tsy misaraka

Hahazoany miasa betsaka
Sy hazoto lava tsy mba reraka
Ka hanjary ho vavolombelona
Sy ho fanasina maharitra mandrakizay

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : AMAA [Antoko Mpihira Avaratr' Andohalo]
Mpamaky : 1013
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : rvnjr
Tamin'ny : 23/08/2014 15:14:57
ID : 6671

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo