He sambatra (AMAA [Antoko Mpihira Avaratr' Andohalo])

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
He sambatr'aho Tompo ô
Fa manana Anao ho Ray
Fanantenana sy tokiko
Ka tokiko mandrakizay

Ny hadisoana vitako
Efa nofafanao tokoa
Ny famonjena ho tanako
Fa sarobidy mahasoa

Inona no havaliko
Ny fitiavanao izao
Ambarao Tompo fa sahiko
Ny hanome 'zay sitrakao

Izay talenta taminao
Ampitomboy entiko
Hanompo ny fiangonanao
Sy firenena mamiko

Ny foko kosa atolotro
Ka mba diovy sy vohay
Hidiranao re ry Tompoko
Ka dia monena ao indray
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1015