NOTOLORANAO FANEVA (160 TAONA FG) (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

https://tononkira.serasera.org/hira/stk-ambatomena-antananarivo/notoloranao-faneva-160-taona-fg

1 Ry Jehovah Ray Tsitoha
  Hoderainay Hianao
  Fa nomenao zava-tsoa
  Izahay fiangonanao

Fiv.
Notoloranao faneva
Ny matahotra Anao
Ka hatsangany tokoa tokoa
Noho ny fahamarinanao

tononkira.serasera.org2 Tsy navelanao ho very
  Ireo asa izay natao
  Fa ny sandrinao mahery
  No mitantana hatrizao

Fiv.

3 Ry fiangonana รด ! tsarovy
  Fa voafidy hianao
  Miadia ny ady tsara
  Homba anao ny Tomponao

Fiv. (x2)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : STK FJKM Ambatomena Antananarivo
Mpamaky : 86
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Jockl
Tamin'ny : 28/01/2020 18:17:53
ID : 12451

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo