MIAMBENA, MIVAVAHA (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

https://tononkira.serasera.org/hira/stk-ambatomena-antananarivo/miambena-mivavaha

Miambena, mahareta amin’ny vavaka
Ndao hivavaka (3)
Ny devoly fahavalo dia mikatsaka, ‘zay harapany
Koa mivavaha re hianao

Fa mandalo izao fiainan’izao sy ny filany
‘Ndao hiambina, ’ndao hivavaka
F’izay manao sitrapon’Andriamanitra
Dia ho sambatra, hiadana mandrakizTsiky dia ampyay

‘Zay mahatoky ny Tompo hatramin’ny farany
Dia ho sambatra, ho finaritra
Fa handray ny satro-boninahitra, ho fiainanao
Ho fiainana mandrakizay

Mivavaha matokia f’Andriamanitra
Indro momba anao,
Izy momba anao, eny homba anao
Izy no ampinga fiadiana maharitra
Raiso ho anao, ho fiainana mandrakizay

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : STK FJKM Ambatomena Antananarivo
Mpamaky : 97
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Jockl
Tamin'ny : 29/01/2020 22:11:56
ID : 12481

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo