You are here: home > Tononkira > SLK Ambohidroa

Hiriko raha ianao (SLK Ambohidroa)

Ny fahitako anao, Olona tsy ahoana tsy ahoana
Ny fiheverana anao, Dia olon’ olom-poana
Toa hoe tsy manan-tanjona, Tsy vonona hibanjina
Mihaotra ny hijoro, matahotra ny hikoro
Nefa ny fihevitra, Dia maha-talanjona

Hiriko raha ianao, no hizara ny hafatra
Indritononkira.serasera.orgndra hoan’ireo,  tsy mahafantatra
Ho an’ireo tsy mino, sy minia manadino
tsy mahalala akory ny fandriky satana

Koa ny herinao ry Tompo, No angatahana hiasa
Mba hahafan’izy ireo, mijoro hamita ny asa
Dia ny hitory sy anambara, ny filazantsara
Mba tsy ho very, Na hijanona ho tantara

Mpihira : SLK Ambohidroa
Mpamaky : 92
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : mendrikaanja
Tamin'ny : 04/04/2022 16:56:24
ID : 14119

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo