MBOLA TSY TARA (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

https://tononkira.serasera.org/hira/ny-antsanny-famonjena/mbola-tsy-tara-1

Jesosy miantsoantso ny anaranao,ianao anie ka  ondry andrasany
Ny otanao rehetratrehetra efa natao, saronany sy efa voasasany
Ny tanany mitsotra te handray anao, hanarina anao rehefa potraka
Izy hamelombelona ny fanahinao, hampatanjaka anao efa trotraka

Fampanantenana nataony anao, aza anampenanao sofina
Ny fanavotana nomeny anao, aza omena lamosina
Meteza mba ho isan'ny ankohonany ianao, sao mikatona ny varavarana
Miomana hiditra amin'ny fanjakany, mandehana re,tononkira.serasera.org misoratra anarana

Mandehana fa mbola tsy tara e!
Izy mbola miandry, tena sasa-miandry, miandry anao,
Miandry anao anao mba hanolo-tena
Androany anie ka mbola tsy tara e
Aza ilaozanao mandositra ny antsony; modia re ianao, miverena

Efa fantatrao efa hatrany amboalohany, ny lalana any tery dia tery
Jesosy ifikirana, ny  lalany arahina, sao ianao dia mandeha irery
Misy fitoerana izay efa nomaniny, ianao anie ka manana anjara
Raiso ny tanany, araho ny lalany, mandehana re fa mbola tsy tara

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Mpamaky : 222
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : nyantsanfa
Tamin'ny : 07/03/2020 21:31:04
ID : 12592

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo