NY ANARANY ANTSOINA (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

https://tononkira.serasera.org/hira/ny-antsanny-famonjena/ny-anarany-antsoina

Rehefa vizana ny sandry, eny an-tsaha fiadiana
Raha mikiky ny adin-tsaina, sy ny adin'ny fanahy
Rehefa feno horohoro anaty aizina mangina
Ny anarany antsoina f' Izy ihany, Izy ihany no mpiahy

Rehefa ditsoka ny maso ka tsy hita izay aleha
Raha mangeja ny alahelo fa namoy havan-tiana
Rehefa farina ny feo kanefa tsisy izay mandre
Ny anarany antsoina f' Izy ihany, Izy ihany no tononkira.serasera.orgmpiahy

Fahafirin' ireo dian-kapoka izay nentiny, no nentinao
Ny dinitra, nirotsaka, niraraka, be toy ny rĂ 
Raha ny hazo fijaliana lehibe izay nentiny, no nentinao
Fa fahafirin' izay nentiny ny anao

Efa nihafiany, efa  nijaliany, namoizany ny ainy
Na fitomaniana, hazo fijaliana, samy efa nolanjainy
Amin'ny lalan-tsarotra sady feno mikitaona
Ny anarany antsoina f' Izy ihany no eo akaikinao eo foana.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Mpamaky : 123
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : nyantsanfa
Tamin'ny : 24/12/2019 19:35:11
ID : 12323

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo