HIHIRA AHO SATRIA (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

https://tononkira.serasera.org/hira/ny-antsanny-famonjena/hihira-aho-satria

Mbola taona firy monja no nihirana fiderana
Mbola kely koa ny vita raha ny haben'ny voninahiny
Mbola tsy nahay nisaotra mendrika ny hatsarany
Mbola nisy izay tsy vita irony asa nanirahany

Hirihira aho satria,
Mbola maizina ny maro sady tsy ampy hazavana
Mbola miahotra ny mino hampiasa ny finoany
Mbola misy milomano anaty fahotanTsiky dia ampya
Mbola vonto-pahoriana, ka tsy mahatraka intsony

Hihira aho satria
Mbola tazako ny lalana sy ny ady nodiavina
Mbola tsapako ny hery nasalotrao ny nofo
Mbola tsy ampy ny ondry very nasainao hotadiavina
Mbola nisy tsy nahazo, ny hazan-drano sy ny mofo

Mbola eto aho ka hifaly
Mbola sambatra aho fa mino
Mbola indro aho fa midera
Mbola velona aho ka mihira

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Mpamaky : 56
Mpakafy : 3 Ankafizo
Nampidirin'i : nyantsanfa
Tamin'ny : 24/12/2019 20:35:42
ID : 12316

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo