ANDAO (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao, namako o! Ndao hihazakazaka hanatona ny Tompo
Ianao, namako o! Izy anie ka miandry anao
Ianao, namako o! Ndao hanolo-tena ka hanatona ny Tompo
Ianao e, namako ! Izy anie ka miandry anao, ka andao .

Izaho ho any e! Izaho ho any e!
Tsy avelako hijanona ny hazakazako e,
Satria manangasanga sady efa tazako e
Io ny Tompo miandry ahy,

Ndao ho any e! Ndao ho any e!
Toa tsy ho ela intsony dia ho avy ny maraina
Antomotra ny farany izay nampanantenaina
Io ny Tompo miandry ahy,

Raha sendra hitanao any aho raha eny an-dalana eny
Raha sendra tsapanao fa mihareraka, malemy
Raha mila ho rendrika aho fa miha-lalina ny rano
Raha sendra tafintohina aho, areno aho atsangano
Fa ho any aho!

Raha eny an-dalana eny ianao fa toa marisarisa
Kanefa anie ny tanjona toa efa kely sisa
Raha toa mideza loatra ity lalana malama
Andao hifampitantana, miarena, mitsangana
Ndao ho any e!

Na sarotra aza anie ny lalana mandeha mankany
Na betsaka ny sakana misarika ahy tsy ho any
Voaomana ny toerana izay hivantanako any
Tsy maintsy ho any aho.
Ho any aho, ho any aho, ho any aho, ho any aho e!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Vangy : 880
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : nyantsanfa
Daty : 24/12/2019 20:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4863