DIENY IZAO (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dieny mbola tsy marefo ny lohalika hijoroko
Dia efa zariko, amboariko, ampianariko handohalika aminao
Ny fijoron’ny lamosiko, dieny mbola tsy manjoko
Dia efa entiko miankohoka eo am-panompoana anao

Fa ny tanako matanjaka tena mbola feno hery
Dia efa te hosakambinina sy hotantananao
Dieny mbola tsy manjavona, ny masoko mijery
Dia efa tiako hibanjinana ny voninahitrao

Dieny mbola afaka mihira, mbola afaka miteny
Dia efa te-hiantsoatso ilay anara-Masinao
Izao ny sofiko mbola mandre, na mibitsika aza reny
Tiako ho zatra ny hiaino ireny teny masinao

Ndrao mangovitra ny tongotro, fa be ny lalana vita
Ny sofiko tsy handre, ny masoko koa tsy hahita
Ny lamosiko, hanjoko, mila tehina hitehenana
Ndrao hanjary tara loatra aho ka izay vao ho latsa-panenenana

Dieny izao, Sahirana aho tsisy fotoana, kanefa dia hanompo anao foana
Dieny izao, Mahantra aho, manan-karena, tsy ahoako izany fa hanolo-tena dieny izao ,
Fa amin’izao heriko izao, no hanatonako anao, ka hanompoako anao dieny izao
Dieny izao, hidera anao,Hanompo anao, hiankohoka eo anatrehanao
Dieny izao, mahiratra aho, mbola mandre, matanjaka aho sy afa-mandeha,dieny izao

Tsy hiandry tsy ho afa-mamindra aho izay vao hanatona anao (fa @zao heriko izao)
Dieny matanjaka indrindra aho hiankohoka eo aminao (fa @zao heriko izao)
Tsy hiandry tsy ho afa-miteny aho, vao hiantso ny anaranao (fa @zao heriko izao)
Dieny tsy mbola malemy aho, matanjaka anie aho ho anao (fa @zao heriko izao)
Izao dia hanatona anao,(fa @zao heriko izao)
hiankohoka eo aminao (fa @zao heriko izao)
Amin’ izao heriko izao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Vangy : 973
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : nyantsanfa
Daty : 21/12/2019 09:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721