MANAM-PINOANA (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Matetika loatra ny saiko,
No miasa sy be fanahiana
Mametra-panontaniana
Rahoviana? No fotoana hihavianao

Satria raha ny zavatra haiko
Dia tsy hita ho visavisaina
Hariva sa andro maraina
Vao maraina, fa tampoka be ohatr'izao

Ianao Ilay namboatra fitoerana ao an-tranon'ny Ray
Ilaay ho avy ka mbola hiverina hitsara no sady handray
Na olo-tsy mendrika aza aho manana fanantenana
Fa hanana mpisolo vava aho hiatrika ny fitsarana

Manam-pinoana aho, fa raha mbola velona ihany
Raha mbola tsy miala eto an-tany,
Dia hiara-hihira ny hiran' anjely, hihoby ny fihavianao
Tsy hila fanazavana aho, tsy hiandry fahagagana
Fa manam-pinoana aho ny fiainana mandrakizay

Kanefa raha tapitra ny andro nomenao hiainako ety an-tany
Haoriko androany ny fanantenako fa izaho dia anisan'ny ho any

Manam-pinoana aho, raha maina fa mety malazo
Ny aina izay toa voninkazo
Ho resy ny fasana izay niandrasana hitsangana aho hidera anao
Mino sady manantena, f' isan' izay hovonjena
Fa manam-pinoana aho hitoetra ao an-tranon'ny Ray

Manam-pinoana fa manana anjara aminao aho e
Manam-pinoana hiaina fiainam-baovao aho e
Manam-pinoana hitoetra ao antranon'ny Ray aho e
Manam-pinoana ny fiainana mandrakizay

Manomboka androany ny saiko, dia tsy mba ho be fanahiana
Tsy hametra-panontaniana , rahoviana ?
Ny fotoana hiavianao
Satria raha ny zavatra haiko, izay mino an'i Jesosy zoky
Dia afaka ny mahatoky, fa hiara-hitoetra aminao
Fa manam-pinoana aho.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Vangy : 1009
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : nyantsanfa
Daty : 24/12/2019 20:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1285