ZANAKA TIANA (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tadidiko foana ilay androko omaly
Ilay nianoka fiainana feno hasambarana tsy mba nijaly
Feno fiadanana sy fifaliana
Satria dia nananako izay rehetra tiako, fa zanaka tiana

Ny harena rehetra izay an'ny Raiko,
Dia samy nomeny ahy, samy nafoiny, nomeny hampiasaiko
Nomeny sakafo aho, nomem-pitafiana
Raha toa tsy salama aho dia notsaboiny, fa zanaka tiana

Lasa niliba sy nirenireny, nanaram-po toy ny tsisy mpiteny
Toa zanak'ondry nivoaka ny vala, toa zanaka adala
Niaritra mafy sy be fahoriana, tsy nanan-kitafy sy trano hatoriana
Izay vao nahatsiaro ny akany malala, ity zanaka adala

Izao ve no niafarako, izaho anie ilay zanaka tiana
jereo ity fahadalako, jereo ity fahoriana
afoiko daholo izay rendrarendra sy zava-drehetra izay nahavariana

Fa hody aho, hiverina hiasa sy hanompo ao an-tranon'ny raiko aho
Raha mandondona aho dia ampandrosoina
omeny sakafo sy ampiakanjoina
hanaovany fety sy izay fifaliana, fa zanaka tiana

Mifona aminao re ry Raiko malala,
Ity zaza nania, ity zanaka adala,
na dia tsy mendrika aza re aza ariana
fa zanaka tiana

Ety an-dalana mody aho, hibaboka amin'ny ota sy ny heloka ary izay hadalana aho
Sempotry ny fahantrana aho,
Tototry ny fijaliana aho, Tofoky ny fahorina aho
Ity zanaka tiana,
Fa hody aho.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Vangy : 680
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : nyantsanfa
Daty : 21/12/2019 09:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1168