INONA MOA (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

https://tononkira.serasera.org/hira/ny-antsanny-famonjena/inona-moa

Inona moa, Inona moa e!
Inona moa no hahasaraka anay amin' ny fitiavanao Kristy
Inona moa, Inona moa e!
Inona moa no karazana olana mety mahazo ahy ety
Sabatra sa fitanjahana ve, enjika sa fahantrana
Mosary sa fahoriana va re, sa loza tsy azo hialana
Inona moa no hahasaraka anay amin'ny fitiavanao Kristy

Inona moa, Inona moa e!
Inona moa no hahasaraka anay amin' ny fitiavanao Kristy
Inona moa, Inona moa e!
Inona moa no karazana olana mety mahazo ahy ety
Fiainana sa fahafatesana ve , sa fakam-panahy fitsapana
Ny ora-mikija mifafy va re, sa loza tsy azo hialana
Inona moa noTsiky dia ampy hahasaraka anay amin'ny fitiavanao Kristy

Fa mahatoky aho,
Na fitsikiana na fitomaniana na inona zava-mitranga
Ny ali-mikitroka tsisy hazavana na koa ny lanitra manga
Ny lalana  vita ny zavatra hita ny anio sy ny mbola ho avy
Havana tiana hifalifaliana kanefa nalainao sahady
Dia tsisy mihitsy hahasaraka anay amin'ny fitiavanao Kristy

Eo aminao,
Eo akaikinao re Tompo o! Eo no mahatsara ahy, Ho eo aminao aho
Haringanao anie Tompo o! Izay rehetra mahafoy anao, Ho eo aminao aho
Na ho levona aza anie Tompo o ! Ity tenako ity sy ny nofo,
Dia mbola ho tokiko sy ho vatolampiko mandrakizay
Ny eo aminao.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Mpamaky : 189
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : nyantsanfa
Tamin'ny : 24/12/2019 19:35:41
ID : 12317

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo